no comment

Raha mbola misy tsiky
Azonao asedra ny ronjon'ny ankaso
Nahoana indrindra iky
No dia laniana foana ny vongan-draromaso
(miverina in-2)

Refrain : Raha mbola misy ihany
Kintana mamiratra azonao banjinina
Nahoana no tomany no andanianao
Ny alin'ny ririnina

Raha mbola misy kalo
Azonao hiraina anaty fahavaratra
Nahoana no himalo
Mahita vodilanitra mosarena taratra
[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Monday, 29 June 2009 at 3:58 PM